TwitterFacebook

FINOANA: Raran’ny filohan’ny Fjkm ny fampiasana finday ho solon’ny baiboly

Tsy manana ny toerany any am-piangonana intsony ireo karazana finday mirakitra ny baiboly masina sy ny fihirana. Ireo mpino kristianina protestanta no niantefan’ny kabarin’Andriamahazosoa Ammi,
filohan’ny FJKM
_Hentitra ny mpitandrina Andriamahazosoa Ammi, filoha mpitantana ny FJKM, nandritra ny lahateniny nanoloana ireo mpino protestanta teny Ilafy, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nolazainy fa tsy manana toerana any am-piangonana ireo karazana finday, na hamakiana andalan-tsoratra masina na hanoloana ny fihirana aza.
“Ny baiboly sy ny boky fihirana irery ihany no azo entina mivavaka sy midera an’Andriamanitra. Aoka ireo mpino FJKM noho izany mba hamela ireo fitaovan-tserasera ireo any an-tokantranony avy, ka hifantoka amin’ny fotoana natokana hivavahana marina”, hoy ny mpitandrina Andriamahazosoa Ammi.
Anton’ity antso avo ity ny fanahian’ity filohan’ny FJKM eto Madagasikara ity ny hanokafan’ireo mpiangona zavatra hafa, ankoatran’ny tokony hahatongavany any am-piangonana. Fa nofaritany ho asa fanakorontanana ihany koa ny fampiasana ireny fitaovan’ny teknolojia avo lenta ireny any am-piangonana noho ireto farany maneno lava amin’ny fotoam-pivavahana.
Ankoatra ireo fanehoan-kevitra izay mandala izany fifampitondrana vaovao eo amin’ireo samy mpino protestanta izany anefa dia, niteraka fimenomenonana izany nandritra ny andro vitsy. Ny tokony hampanarahana ny fivoaran’ny teknolojia amin’ny fiainana maha kristianina no nivoitra nanerana ireo adihevitra mahasika ity fandrarana ity. Maro mantsy ireo milaza fa “raha tsy manelingelina ny fahanginana sy ny fifantohana ary voafehin’ny mpiangona ihany koa ny findainy, tsy tokony horarana izany”.
Nitondra fanamarihana kosa anefa ny mpitandrina Andriamahazosoa Ammi fa tsy mitsipaka ny fanarahana ny teknolojia vaovao ho an’ireo kristianina. Saingy nomarihiny fa ireo boky azo raisin-tànana ihany no manana ny hasiny.
Mifanohitra
Ny finoana hafa tahaka ny finoana katolika kosa dia mifanipaka amin’ity tohan-kevitry ny filohan’ny FJKM ity. Ny Papa Ray masina François mihitsy mantsy no mandala ny fampiasana ny teknolojia vaovao hanapariahana ny tenin’ny Soratra Masina. Ary hatramin’izao, tsy mbola nandrenesana fandrarana na ho an’ireo mpanentana litorijika eny ambony ôtely aza.
Ary nanokanan’ny Papa Ray masina andro iray, faran’ny volana may, mihitsy ny toeran’ny teknolojia vaovao eo amin’ny foto-pinoana katôlika.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Actualité

Électricité: La fin du délestage passera par l’énergie solaire

20 Jan 2017

Électricité: La fin du délestage passera par l’énergie solaire

Le Président de la République et le vice-président de la Banque mondiale en charge de…

EAU: Ikopa prend de la hauteur

20 Jan 2017

EAU: Ikopa prend de la hauteur

Opération réussie pour la Jirama et le ministère de l’Eau, de l’assainissement et de l’hygiène.…

DÉVELOPPEMENT RURAL: 16.000 foyers adoptent l’approche Seikatsu Kaizen

20 Jan 2017

DÉVELOPPEMENT RURAL: 16.000 foyers adoptent l’approche Seikatsu Kaizen

De plus en plus d’intéressés. Si en 2007, seuls 61 ménages de Bongolava ont adopté…

JIRAMA: Des limogeages en série

20 Jan 2017

JIRAMA: Des limogeages en série

Tard dans la soirée, hier, l’on a appris des restructurations d’envergure au niveau de la…


  • janvier 2017
  • décembre 2016
  • novembre 2016
  • octobre 2016
  • septembre 2016
  • août 2016
  • juillet 2016
  • juin 2016
  • mai 2016
  • avril 2016
  • mars 2016
  • février 2016
  • janvier 2016
  • décembre 2015
  • janvier 2015
  • décembre 2014
  • juillet 2014
  • mars 2014
  • février 2014
  • janvier 2014
  • décembre 2012
  • octobre 2012
  • janvier 2012