TwitterFacebook

LEMAK’ANTANANARIVO: Ritra avokoa ireo renirano telo

Ikopa, Imamba ary Sisaony. Nanamarina Rateloson Phillipe, tale jeneralin’ny Antokon-draharaha misahana ny fiarovana ny lemak’Antananarivo amin’ny tondra-drano (Apipa), omaly, fa efa ranom-potaka sisa no hita eny amin’ireo renirano telo hiantsorohany. Ny tsy fisian’ny rotsak’orana no nolazainy fa isan’ireo olana lehibe nahatonga izany.
“Imamba aza efa herinandro izay no zara raha misy rano mikoriana. Ny mahakasika an’Ikopa sy Sisaony indray dia nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo no tsikaritra ho miiba ny haavon’ny rano”, hoy Rateloson Phillipe.
FITARAINANA
Mitaraina noho izany ny ankamaroan’ireo mpamboly vary eto amin’ny lemak’Antananarivo manoloana ity tsy fisian-drano ity. Voalaza mantsy fa mijanona ny asa fanetsana eny amin’ireo faritra sasany mandra-pisian’ny rano, raha tsy hilaza afa-tsy eny amin’ireo faritra manamorona an’Ikopa.
“Tanimbary manodidina ny 2.000 hektara noho izany no mihantona fotsiny noho ny fahamainan’ny tany, kanefa efa hanetsa izahay raha ny tokony ho izy. Ambohitrimanjaka, Ambohidrapeto, Fiombonana ary Bemasoandro no isan’ireo voakasik’izany mivantana”, hoy Randriamalala Philibert, tompona tanimbary monina eny Ambohidrapeto.
Etsy andaniny anefa, nanazava ny tale jeneraly avy eo anivon’ny Apipa fa tsy isan’ireo faritra hiantsorohan’izy ireo ny ankamaroan’ireo tanimbary tsy tra-drano eto Antananarivo. Nanampy aza Rateloson Phillipe fa efa tapitra tamin’ny herinandro teo ny fampidiran-drano tamin’ireo tanimbary mila rano eto Antananarivo ary efa vita avokoa ny fanetsan’ireo mpamboly vary.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Actualité

Électricité: La fin du délestage passera par l’énergie solaire

20 Jan 2017

Électricité: La fin du délestage passera par l’énergie solaire

Le Président de la République et le vice-président de la Banque mondiale en charge de…

EAU: Ikopa prend de la hauteur

20 Jan 2017

EAU: Ikopa prend de la hauteur

Opération réussie pour la Jirama et le ministère de l’Eau, de l’assainissement et de l’hygiène.…

DÉVELOPPEMENT RURAL: 16.000 foyers adoptent l’approche Seikatsu Kaizen

20 Jan 2017

DÉVELOPPEMENT RURAL: 16.000 foyers adoptent l’approche Seikatsu Kaizen

De plus en plus d’intéressés. Si en 2007, seuls 61 ménages de Bongolava ont adopté…

JIRAMA: Des limogeages en série

20 Jan 2017

JIRAMA: Des limogeages en série

Tard dans la soirée, hier, l’on a appris des restructurations d’envergure au niveau de la…